Fampianarana 13 Mars "ILLUMINISME" (Ny amin'ireo Fahitana manokana, hafatra manokana...)
"... manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika." Hoy ny Romana 8:37
Inona no dikan'izany amin'izao andro sarotra iainantsika izao? Manoatra noho ny mpandresy tokoa ve isika? Mahatsapa izany ve ianao? Mahazo izay irinao rehetra ve ianao no dikan'izany?
Latsaka anaty fanamelohan-tena isika indraindray rehefa avy nanao fahadisoana, nandratra ny hafa, latsaka tamin'ny fahotana, na avy nisedra tsy fahombiazana.
Mahatonga olona maro hamono tena ny culpabilité latsaka lalina. Inona no azo ampaherezana antsika ny amin'izany araka ny Soratra Masina?
Zava-dehibe ny mahalala ny @ fiverenan'ny Tompo satria izany no fanantenansika.
Azo antoka ve ny fihavian'ny Tompo? Ahoana ny @ ilay arivo taona? Ahoana ny amin'ilay fahoriana lehibe? Hiaritra izany ve ny fiangonana sa mandeha aloha?
Inona tokoa moa no tena atao hoe fitahiana? Hatraiza ny fitahiana azon'ny mino? Inona no tena fitahiana? Inona no tsy fitahiana nefa ihazakazahan'ny olona ?
Ary ahoana ny mikasika ny ozona? Mila tapahana arak'ireo fampianarana henotsika etsy sy eroa ve izany mba hidiran'ny fitahiana?
"Hatao anie ny sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra" Tsy ho vita mihitsy ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra raha tsy fantatsika akory ary izay sitrapony. Rehefa vita izany dia ho voavalintsika moramora ireo fanontaniana tiantsika toy ny hoe: Sitrapon'Andriamanitra ve ny hanambadiako ity olona iray ity? Sitrapon'Andriamanitra ve io asa ataoko io? Fanompoana manao ahoana no sitrak'Andriamanitra hataoko?...
Angamba ny fomba fanopan'ny kristiana dia ny filazana ny hafa ho SEKTA! Samy manana ny famaritany ny antsoina hoe sekta ny tsirairay fa amin'ny ankapobeny dia azo fintinina hoe "rehefa tsy mitovy aminay dia sekta izay!" Tena izany tokoa ve? Milaza momba ny sekta ve ny Baiboly? Tsy misy fanononana anarana fiangonana eto fa izay lazain'ny Baiboly no hovakiantsika eto.
Ny vola hono no hozatry ny fiainana. Mila vola daholo isika. Nefa koa, ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra hoy ny baiboly. Hatraiza ary izany no atao hoe tia vola? Miresaka izany ve ny Baiboly? Toe-po manao ahoana no tokony hatao eo anatrehan'ny vola?
ISRAELY: Anarana miverina betsaka indrindra ao anaty Baiboly. Raha te hahay mamaky Baiboly dia mila mahay ny fiandohan'Israely, ny tantarany, ny fifandraisany tamin'Andriamanitra, ireo anarany, ny fahavalony ary ny ho aviny rahatrizay! Ahoana no hampifandraisina ny teny fikasana ho an'Israely sy ho an'i Madagasikara? Ary farany, IZA NO TENA ISRAELY AMIN'IZAO FOTOANA IZAO?
Mbola manasitrana ve Andriamanitra amin'izao fotoan'ny siansa sy ny medikaly efa mandroso be izao? Amin'ny fomba ahoana ?
Maro ireo tovovavy na (tovolahy) izay sasa-miandry ilay silapanahy, ilay anjara, ilay mba hidoladolana, ilay ho vady andefimandry. Tsy mbola tonga anefa ilay izy. Eo anatrehan'izany anefa dia maro ireo tsy mpino (Tsy manana an'i Jesosy, tsy teraka indray) mandom-baravarana. Hanaiky ireny sa hiandry mpino? Indro misy torolalana sy fampaherezana ho anao.